Mialoha ny seho lehibe. Etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina, ny zoma 22 mey, hanomboka amin’ny 5 ora tolakandro. Hiaka-tsehatra anatin’ny “Cabaret nostalgique” ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. “Ho ambohipihaonan’ireo samy andrarezin’ny mpiangaly ny vazo Kaiamba, ity Cabaret nostalgique ity”, hoy i Apponame, avy ao amin’ny Studio Apponame, mpikarakara ny seho. Ho tazana eny an-tsehatra i Prosh’ely, Ozah Jérôme, Jean kely, Zozo Mananjary, Jacky Edmé, Rosemonde, Julien Raminia ary i Apponame.
Ireo vazo Kaiamba tsy mety afaka am-bavan’ny maro (taona 1960 hatrany amin’ny taona 1990), hiampy ny “indran-kira” (interprétation), malagasy sy vahiny hiangalian’ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy no handrafitra ny fandaharan-kira eny an-toerana. Hisy tanora haneho ny talentany amin’ny fahaiza-mihira ihany koa mandritra izany. Izy ireo izay manompana ny asa fikarohana ataony ho amin’ny fampiarahana ny Kaiamba amin’ny gadon-kira hafa.
HaRy Razafindrakoto




