Farakely, etsy amin’ny Piment Cafe Behoririka. Hotohizana ao amin’ity toerana ity ny fankalazana ny faha-15 taona an-tsehatra ho an’i Farakely, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. « zara mozika tsy mety tapitra », hoy izy, satria toerana anisan’ny nahita ny niatombohany sy ny niakarany tamin’ny laza koa izany. Mifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny mpanakanto ao amin’ity toerana ity, ary malalaka ny fandaharan-kira, hatramin’ny fanaovana hirana mpanakanto hafa.
Hiray sehatra ry Kiaka sy Green. Tsy vaovao akory ny fiarahana, kanefa dia handrandrain’ny mpankafy rock hatrany. Ny any Imerintsiatosika indray no hahazo tombony amin’ny fiarahana an-tsehatry ny tarika roa tonta, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, ao amin’ny Espace Sahaza. Samy hanao ny hirany ny tarika, indrindra ireo nampahalaza ny tsirairay. Hisy ary ho maro koa anefa ireo fampiaraham-peo sy talentan’ny samy mpinamana mitovy fironana ara-mozika amin’io.
Hampahafantarina, anio, ilay boky “Tantaran’ny vazimba”, nosoratan-dRabenandrasana Lalao François, navoakan’ny Edisiona Nandrasana. Boky mirakitra ny tantaran’i Madagasikara izy ity, izay nokendrena hivoaka mandritra ny “Tsenaben’ny Boky”, etsy Anosy. Mialoha izay, hampahafantarina ihany koa ilay boky “La justice pénale malgache – Entre héritage colonial et droit au procès équitable”, nosoratan’i Rindra Randriamahefarilala.




