Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo roa lahy tratra nangalatra tao Ampasapito. Nafatratr’izy roa lahy tao anaty gony ny akoho fakana nofo am-polony. Saron’ny mpitandro filaminana tamin’ny marain’ny alatsinainy 20 avrily teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina izy roa lahy ireo.
Manao antso avo amin’ny tomponandraiki-panjakana ny ray aman-drenin’ilay tovolahy matin’ny lozam-pifamoivoizana teny Ambohimangakely, roa herinandro lasa. Tsy hita popoka ny fiara marika Starex nandona an’io mpitondra moto io.




