« Tsenaben’ny boky » 2026 : Miverina miandalana ny fitiavan’ny Malagasy vaky boky

Boky, loharano tsy ritra. Azo hanovozam-pahalalana. Nisongadina fatratra ireo talohan’ny taona 1975. Tao ambadik’izay, tsy tazana firy intsony ny fampiasana azy ity. Taona 2026, manomboka manangasanga indray ilay fitiavan’ny Malagasy mamaky boky.

Nitombo ny tranoheva. Nitombo ny mpitsidika azy ireny. Nitombo nanaraka ireo ihany koa ny sehatra na fikambanana na orinasa manome tanana ny tontolon’ny boky. Nahasarika mpitsidika avokoa ny fampirantiana boky, fampahafantarana sy fanazavana momba ireo andraikitra sahanin’ny isaky ny tranoheva, ireo velakevitra samihafa, fanontaniana nifanaretsaka nanoloana ireo mpisehatra amin’ny rohim-boky, sns.
Tazana eny an-toerana ireo mpanoratra, mpanonta boky, trano pirinty, sns. Ao ireo efa niorina ela, toy ny TP FLM. Tsy vitsy ny taty aoriana tahaka ny Famoloana Telozoro, ny Opération Bokiko… Miompana kokoa amin’ny fampifandraisana ny tanora amin’ny boky sy fanohanana ny mpanoratra kosa ny fandraisan’anjaran’ny Orange Madagascar, amin’ny alalan’ny Orange Solidarité Madagascar. Anisan’ireo mpanohana ny hetsika « Tsena­ben’ny boky » rahateo ny Orange Madagascar.
Tranga tazana teo amin’ny tokotany malalaky ny Tranom­bokim-pirenena etsy Anosy, nandritra ny fanokafana ny « Tsenaben’ny boky » 2026, omaly, avokoa ireo. Raha atao indray mijery, manomboka miverina tsikelikely any amin’ny vaky boky ny Malagasy na dia mbola tsy tafiditra tanteraka ho anisan’ny filany, indray, aza izany. Nohamafisin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina « fa politika no apetraky ny minisitera amin’ny alalan’ny karazana ”textes” mba hanamorana ny lalam-piaraha-miasa… », ho an’ny tontolon’ny boky.
Anio, hisy ny fampahafantarana boky. Iray amin’izany ny « Tantaran’ny vazimba » nosoratan’i Nandrasana. Ny tolakandro, antsa tononkalo ho fankalazana ny faha-100 taonan’i Clarisse Ratsifandri­ha­manana. Velakevitra momba ny zon’ny mpanoratra. I Ny Eja hanazava ny « Ny literatioran’i Ny Eja sy ny boky ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: