Editions Ratsimaholy Le Lauréat : « Tafidina 70% ny varotra boky noho ny afitsoky ny piraty »

Tsy ho ela, feno 50 taona ny Editions Le Lauréat. Iray amin’ireo edisionina nahavita namakivaky ny olan’ny tontolon’ny rohim-boky. Milaza ny heviny momba izay i Naly Ratsimaholizanany. Dinika nifanaovana taminy.

Gazety Taratra (*): Iray amin’ireo edisionina afaka namakivaky taona maro ny « Editions Le Lauréat » naorin-dRatsimaholy Francinet tany amin’ny taona 1978. Inona ny olana goavana na­trehinareo sy ny tontolon’ny boky tao anatin’io 48 taona io?
Naly Ratsimaholizanany (-): Ny afitsoky ny piraty! Endrika roa lehibe no isehoan’izany. Tany am-boalohany, nataon-dry zareo mpanao piraty dika mitovy na « photocopie » ny boky navoakan’ny «Editions Le Lauréat». Anke­hitriny, manao «scan» ry zareo. Avadiny «PDF» ary aparitany (amidiny) any amin’ny tambajotran-tserasera isan-karazany izany. Tao anatin’ny 10 taona, nihena hatrany amin’ny 70% ny boky lafo. Tao anatin’ny 5 taona, nirotsaka tamin’ny fanenjehana ireo mpanao piraty niaraka tamin’ny « Brigade anti-piratage » (BAP) izahay.

* Ankoatra io fiaraha-miasa amin’ny « BAP » io. Inona ny paikady hoentinareo hiatrehana ny olana ka nahavitanareo nandia ny 48 taona sy hiatrehanareo ny hoavy?
– Tazoninay sy hateveninay hatrany ireo kalitao mampiavaka anay sy nahafantaran’ny olona marobe ny boky avoakan’ny Editions Le Lauréat. Anisan’izany ny fanoratana boky ho an’ny mpianatra. Famoahana ireo boky ho an’ny mpanala fanadinana (CEPE, BEPC, Baccalauréat). Hita ao anatin’ireny avokoa ny taranja rehetra. Sady misy laza adina ireo no misy valiny. Mpampianatra manana traikefa matanjaka no mifarimbona amin’izany. Paikady faharoa, amin’ny fomba tsotra sy mora azon’ireo mpianatra no ampitana ny fahalalana ao anatin’ireny boky ireny, hany ka toy ny misy mpampianatra eo anilan’ireo mampiasa ny boky.
… Ilaina ihany koa ny hetsika tahaka izao «Tsena­ben’ny boky» izao. Mifanatrika sy mitafa mivantana amin’ny mpanjifa sy ireo mpampiasa ny boky izahay. Hitany eto rahateo ireo boky navoakan’ny edisionina.

Nitafa : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: