FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamotsorana ny mpikambana Tim, ny Kly Rabe Jules, ny avy amin’ny fikambanan-drazana Vavea sy ny fianakaviany. Nanao fanambarana izy ireo, afakomaly, tao Toliara. « Mangataka amin’ny mpitondra ny hamoahana azy izahay », hoy izy ireo. Tsiahivina fa nosamborina tamin’ity herinandro ity izy ary tazonina aty Antananarivo.
Voatendry ho mpanolotsaina manokana ny Filoham-panjakana, ny filohan’ny antoko Anjomara sy rivo-baovao, Raobelina Andry. Kandida filoham-pirenena teo aloha ary nijoro nandritra ny « Hetsika fotsy » tamin’ny desambra 2023. Mpandraharaha, nanofana sy nanohana tanora ho amin’ny famoronana asa, fananganana orinasa ary ny teknolojia izy.
Takina ny hanavoan’ny depiote mangarahara ny fanambaram-pananana, manoloana ny fandaniana ny volam-panjakana, araka ny nambaran’ny filohan’ny FMI, Ratsietison Jean Jacques. Nohitsiny fa resabe ireny firodorodon’ireo depiote ireo tany atsimo farany teo.
« Tokony ho ny laharam-pahamehan’ny distrikan’izy ireo no handaniana vola », hoy izy.
Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika any Boeny, Adakalo Nasolo, araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Noso­loina koa ireo sefo distrika miisa enina. Anisan’ny nahazo sefo distrika vaovao ny any Beroroha, Ivohibe, Mitsinjo, Ambato Boeny, Ambanja…

Partager sur: