Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoha ny Japoney

Namaly ny antso fanentanana avy hatrany. Noraisin’ny minisitra misahana ny Fana­vaozana, ny Me Razafi­manan­tsoa Hanitra, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anta­ninarenina, omaly, ny ambasadaoron’i Japon, Tojima Hitoshi. Nambaran’ity masoivoho ity, tamin’izany, fa tafita tsara ny antso sy ny fanentanana nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, afakomaly, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, eny Anosy. Nampaha­fantaran’ny fitondram-panjakana ny fandaharanasan’ny Fanavaozana, anisan’izany ny momba ny fikaonandoham-pirenena. Voarain’izy ireo ny dingana sy ny paikady entin’ny fitondram-panjakana ma­na­tanteraka izany Fana­vao­zana izany. « Tena nomen’ny fitondram-panjakana lanja ny tamberin’andraikitra sy ny fomba mampiaty », hoy izy. Nohamafisin’ny ambasadaoro fa eo anilan’i Madagasikara hatrany i Japon. Notsiahiviny fa efa nanampy an’i Mada­ga­sikara ny governemanta japoney tamin’ny fizotry ny fifidianana. «Mbola vonona hanampy sy hanohana hatrany izahay amin’ny sehatra maro», hoy ihany izy.
Nisaotra sy nankasitraka ny ambasadaoro amin’ny fa­nohanana ny minisitra misahana ny Fanavaozana. «To­kony halaina tahaka i Japon amin’ny fanamafisana ny re­saka demokrasia. Tsy mijanona amin’ny resaka finiavana fotsiny intsony fa tena arahina asa », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: