INDRAY MIJERY

Nampahafantarina tamin’ity herinandro ity ny fanombohan’ny tetikasa Tomady, izay dingana vaovao ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Haharitra telo taona ny tetikasa, hiompana amin’ny fandefasan-kafatra eny anivon’ny haino aman-jery fa eo koa ny fampiasana ireo fitaovana hafa toy ny “radio carte” audio sy vidéo, ahafahana manatratra ny toerana tsy takatry ny onjampeo.

Hivoaka amin’ity volana avrily ity ny antontanisa mahakasika ny tsy fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony, distrikan’i Fianarantsoa. Notombanana ny asa vita niarahana tamin’ny GRSE. Hamafisina ny fanaraha-maso ny fandrosoan’ny asa, mifanaraka amin’ny politika nasionalin’ny fanjarian-tsakafo.

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianja Rafanodiana Herisetra, eny Sabotsy Namehana, ny fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara. Hetsika ara-pahasalamana maimaimpoana sy fitiliana tazomoka ary fizarana lay misy odimoka maharitra no ho hita eny an-toerana.

Partager sur: