Katroka ny tamin’ny 3 ora, niakatra ny sehatra ireo mpitendry. Vaovao amin’ny mpankafy satria tsy Zandry Gasy izy ireo, saingy nantsoina manokana handoko iny seho omaly, tao amin’ny CCesca Antanimena iny.
«Afindrafindrao» natao sodina, angorodao, lokanga sy amponga, nampiditra sy nanome ny lokon’ny seho… avy dia ny «Kidaombaramita» no nanohizan’ny tarika Zandry Gasy izany, nanehoana voalohany ny lokon’ilay «Ba Gasy mazia romotra». Hira noforonin’i Mbola Talenta, toy ireo maromaro sanganasan’ny tarika izay nomena vahana nandritra ny seho.
Nanomboka ny voalohany hatramin’ny hira famaranana, niara-nientana tamin’ny teny an-tsehatra ireo mpijery. Niaraha-niredona ireo efa tsy afaka am-bava toy ny «Mahereza» sy « Ambanivohitra ». Tsapa koa fa efa voarain’ny mpankafy ireo hira taty aoriana, toy ny « Tsara fatotra ».
Fotoana mafana ihany koa rehefa tsingerin-taona toy izao, ny fampiakarana ireo vahiny nasaina. Teo ireo zoky toa an’i Beauzaka sy Ralanto. Eo koa ny tarika Vetsonkira, izay rahalahin’ny Zandry Gasy ihany. Inah, anabavin’ny mpikambana rehetra, efa nitsikombakomba tanaty mozika, nandritra ny fotoana maro. Ny tsy nampoizina indrindra dia ny fiakaran’i Mitia an-tsehatra. Zanak’i Mbola Talenta izy, ary nandova izay talenta izay teo amin’ny fihirana sy ny fitendrena lokanga.
Voalohany ho an’ny tarika ny CCEsca Antanimena, saingy azo antoka fa tsy ho farany. Mety ho sehatra lehibe kokoa aza ny manaraka.
Zo ny Aina




