FANTINA sy FINTINA

Tsy nisy taratasy nosoniavina momba ny Vara Mada tamin’ny dian’ny Praiminisitra, Rajaonari­son Mamitiana, tany Washington, araka ny nambarany. Nanteriny fa tsy marina ny filazana fa nanao fifanarahana momba izany ny tenany. « Fifampiresahana ihany no natao fa tsy mbola nisy na inona na inona tapaka », hoy izy, ny zoma teo, teny Mahazoarivo.
Ilaina ny mangarahara sy ny fanadihadiana lalina ny momba ny famatsiam-bola avy any ivelany, araka ny nambaran’ny ambasadaoro teo aloha, Paraina Auguste. «Mila fotorana mazava ny mahakasika ireny famatsiam-bola ireny mba tsy hampitombo ny fahavoazana efa misy», hoy ity mpanorina ny antoko Tsara tahafina ity.
Nambaran’ny antoko Teza fa tsy vahaolana ny fikaonandoham-pirenena amin’io endriny sadasada io. Nohitsin’ny mpanorina ny antoko, Rakotoamboa Jean Louis, fa tsy hamaha ny olana eto amin’ny firenena izany. «Sarintsariny io ary anjakan’ny tora-po ka tsy ahafahana mandray fanapahan-kevitra amin’ireo teboka tsy nampandroso sy niteraka krizy miverimberina», hoy izy.
Nisehoana tranga manohintohina ny zo maha olona ny tany Sava ka nandefa iraka hijery ifotony sy hanadihady izany any an-toerana, ny iraky ny Media­tiora, ny Pr Andrianaivontseheno Ravaka, ny herinandro teo. Mahatsapa ho manana mpiaro ireo niharam-boina tamin’izao fihaonana izao. Fantatra, tamin’izany, koa ny olana sedrain’ny mpiasam-panjakana any an-toerana.

Partager sur: