“Startups du Sud” miisa 10 : Nahazo 15 000 dolara avy amin’ny ODC

Notanterahina ny alakamisy teo ny lanonam-pamaranana andiany faharoa ny fanohanana ireo “startups” avy ao amin’ny faritra Anosy sy Atsimo andrefana. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa «Miary Digital», iarahana amin’ny Orange Digital Center (ODC), hanohanana ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny niomerika ho fanoitry ny fampandrosoana ny firenana. Tsara ny vokatra. Tanora 10 tamin’ireo mpandraharaha 15, avy ao amin’ny faritra Anosy sy Atsi­mo andrefana, no nahazo famatsiam-bola mitentina 15 000 dolara avy, avy amin’ny ODC. Izy ireo izay nisehatra tamin’ny EDtech, Health Tech, LogisticTech ary ny DesignTech ho fanatanterahana ny tetikasany. Porofo izao fa tsara kalitao sy azo antoka ny tohana sy ny fanofanana omen’ny ODC. Natao izany hanehoana fa fitaovana sy loharano azo trandrahina ho an’ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny niomerika.

Miray hina
Nanara-maso akaiky sy niara-dalana tamin’ireo mpandraharaha tany an-toerana ny ekipan’ny ODC. Nisy ny atrikasa bootcamp sy tohana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka, toy ny ISSOF. Paikady izay nahafahan’ireo mpandraharaha nisitraka traikefa samihafa ka nanamora ny fidirany amin’ny toekarena niomerika. Marihina fa manampy ny mpandraharaha hisandrahaka eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny ODC. Toa ilay “startup” iray tamin’ny fandaharanasa “Mia­ry Digital”, andiany voalohany izay voafidin’ny vondrona Orange hisolo tena an’i Ma­dagasikara amin’ny hetsika “VivaTech 2026”, atao any Paris, amin’ny volana jona. “Porofo izao fa miha mivoatra ny talenta ary misongadina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tanora malagasy”, hoy ny talen’ny ODC, An­drianalison Lalaina. Ankilany, nampivondrona tompon’andraikitra sy mpiara-miombon’antoka samihafa ny hetsika ho fanohanana ny fahaiza-manao sy ny talentan’ny Malagasy. Tsiahivina fa ma­nohana ny hetsika ny tetikasa Pôles intégrés de croissance (Pic 3), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Henintsoa

Partager sur: