Taorian’ny « Pitik’afon-kabary » : Namoaka ny boky kabary « Aharihary » i Ny Rian’ala

Tsy toy ny boky kabary rehetra! Izay no azo ilazana ny boky Aharihary, nosoratan-dRamarolahy Maholy Nirilala na Ny Rian’ala. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, nandritra ny famaranana ny «Tsenaben’ny boky», ny sabotsy teo, ity boky kabary hafa amin’ny boky rehetra mirakitra ny fomba sy ny fanao nentin-drazana teo amin’ny sehatry ny kabary ity. Nanao ny teny fanolorana, tamin’ny alalan’ny «Fo tsy aritra», an’ity boky ity ny minisitry ny Serasera sy ny Kolon­tsaina, Gascar Fenosoa, sady mpikabary rahateo koa. Boky mirakitra ny fomban-tany amin’ny kabary am-panambadiana amin’iny faritra Avaratr’ Anala­manga (Distrik’Anjozo­ro­be sy Manjakandriana) iny ny « Aharihary ». Kabary am-pa­nambadiana ranofotsiny, ara­ka izany, no hita ao anatiny, ahitana ny fomban-tany amina toerana enina niompanan’ny fanadihadiana nataon’i Ny Rian’ala, dia Antanetibe Ana­tivolo, Ankerana, Amba­tofisa­orana, Ambongamarina, Sadabe, Mangamila. Nam­baran’ny mpanoratra fa naharitra roa taona ny fikarohana nataony ary nandalo sy nankatoavina teny anivon’ny fiadidian-draharahan’ny famoahana Foibe Fimpima maneran-tany ny vokatra mialoha izao famoahana azy izao. « Maro ny sedra nolalovana nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ireo toerana nanaovana ny fanadihadiana, saingy mitaky finiavana izany. Teo ny fahalaviran’ny toerana nanaovana ny fikarohana », hoy izy. Manana ny fombany manokana ireo faritra ireo amin’ny kabary am-panambadiana. Santionany amin’izany, tsy misy manontany tokim-pitiavana amin’iny faritra iny. Toy izany koa ny adivarotra amin’ny vodiondry, tsy mitovy amin’ny fahita mahazatra, saingy ao anatin’ny boky no mirakitra izany rehetra izany.

Jean Claude 

Partager sur: