Ny mpitondra no manjaka dia ny vahoaka loharanom-pahefana. Amin’izao hoe Fanavaozana izao, ny hetsi-bahoaka no nahatonga ny mpitondra hahazo fahefana. Teo ny fitakiana famatsian-jiro sy rano, ny vidim-piainana, ny fandriampahalemana, ny famoronana asa… Tsy vitan’izany, nanampy fanamby amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsimatimanota ny mpitondra. Mby aiza? Hatramin’izao, misy hatrany ny mampiaka-peo, tsy afa-po amin’itsy sy iroa. Misy aza ny mitaky fandravana andrimpanjakana. Ho Tonga hatraiza? Miseholany ny tsikera, ny fanomezan-tsiny… Amin’izany, misy ny manahy korontana. Tsy ilaozan’izay manaraotra? Eo indrindra izao…
Andrasana fatratra ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Miankina na ankinina amin’izany izay atao rehetra? Be ny tsy mazava. Na mila fanazavana… Rahoviana marina, ohatra, no hanombohana azy hoe amin’ny volana mey, aiza no hatomboka, iza no hanomboka… ? Efa izy ve ny karazana andran-tsira etsy sy eroa sa karazana kitsapatsapa ihany? Tena zaka sy ho vitan’ny tomponandraikitra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga ny raharaha? Zavon-tany ny fanontaniana toy izany. Mila valiny sy fanazavana. Tsy te hanan-dratsy.
Mahabe resaka hatrany ny raharaha tsy mazava. Mora ny miteny, fa sarotra ny manatanteraka. Mila atao izay lazaina, ary lazaina izay atao. Izay no isian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka. Na ny mpitondra hoe to teny: manatanteraka izay teneniny, inoana izay teneniny. Ny ela manova zavatra amin’ny ampitso ampitso lava. Mandra-pahoviana? Dieny tsy mbola misy ny fampiakaram-peo mahery vaika, fitakiana ranolava… Ny mpitondra no mitondra dia ny vahoaka. Aiza ho aiza ny fanomezan-kasina azy tsy ho tompon-trano mihono amin’izay (h)atao? Aleo mifamarafara…
R. Nd.




