Fanorenana : Miakatra ny vidin’ny simenitra eny an-tsena

Niakatra nanomboka omaly ny vidin’ny simenitra eny amin’ireo mpivarotra, mpamongady, sy mpaninjara, manerana ny Nosy. Mahatonga izany ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika izay miantraika amin’ny fitaterana ny vokatra.

Voakasika ao anatin’izay ny vokatra ataon’ny Alpha Ciment izay mandrakotra ny 30% ny tsena eto an-toerana. Hatreto, mbola miankindoha amin’ny fanafarana avy any ivelany ny famatsiana ka mahatonga antsika lasibatry ny zava-misy eo amin’­ ny sehatra iraisam-pirenena. « Nanara-maso akaiky ny zava-misy maneran-tany izahay ka nitady vahaolona hisorohana ny fiantraikany amin’ny famatsiana eto an-toerana », hoy ny tale jeneralin’ny Alpha Ciment, Vincent Blanchet, omaly. Amin’izao, tafakatra 58% ny saran’ny fitaterana ny vokatra. Ao anatin’izany ireo akora sy vokatra hafarana, raha ny fanazavana. « Vaindo­han-draharahan’ny orinasa ny hiantoka ny hitohizan’ny ny famatsiana ny tsena ka voatery nakarina 4 ka hatramin’ny 7% ny vidim-bokatra arakaraka ny sokajiny », raha ny fanazavana hatrany. Izany hoe, fiakarana manodidina ny 2 000 ka hatramin’ny 2 800Ar isaky ny kitapo 50 kg no ihatra. Ankilany, “hijery akaiky ireo mpivarotra mihoa-pefy manararaotra mam­piakatra ny vidim-bokatra ny orinasa. Heverina ihany koa ny hampidina ny vidin’ny simenitra rehefa miverina amin’ny laoniny ny toe-draharaha”, hoy kosa ny tale ara-barotry ny orinasa, Rakotoarison Clark. Ho an’ny mpivarotra iray etsy Isotry, vidiana 37 000 Ar ny simenitra Lafatra. 36 500Ar ho an’ny sokajy Lova. Lasa 45 000Ar kosa ny Orimbato izay novidiana 43 000 Ar teo aloha. Nambarany fa mandany ny tahiry ananany izy ka hampihatra avy hatrany ireo vidiny vaovao vantany vao mahazo vokatra. Marihina fa misy karazany dimy ny simenitra vokarin’ny Alpha Ciment dia ny Lova, Lafatra, Orim­bato, Manda ary Toky.

Fanamby

Vahaolana goavana hisorohana ny zava-misy sy hiantohana ny famatsiana ny famokarana anatiny. Fanamby lehiben’ny orinasa Alpha Ciment ny hamokatra simenitra hatrany amin’ny 1,2 tapitrisa taonina (t) isan-taona. Marihina fa mitombo hatrany ny filan’ny tsena eto amintsika izay tombanana manomboka amin’ny 1,5 tapitrisa t, nanomboka ny taona 2025. Mbola hafarana ihany koa ny 85% ny filàna ka mampiova ny vidim-bokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: