Tonga eto an-tanindrazana ary noraisin’ny minisitry ny Mponina, i Mirana, tovovavy nafana fo, naratra voan’ny baomba mandatsa-dranomaso nandritra ny tolona tamin’ny 25 septambra 2025. Avy niatrika fitsaboana nandritra ny 7 volana tany La Réunion izy ary efa mihatsara. Mbola mila manohy fitsaboana noho ny tsy fahampian’ny enti-manana izy.
Nanao fanambarana ny antoko MMM, amin’ny fahamaizan’ny rovan’Ambohidratrimo Marovatana, nirehitra afakomaly, alina. « Aoka isika hametraka politika hentitra mifandraika amin’ny fiarovana ireny vakoka ireny, tsy hiverenan’ny loza tahaka izao. Tsy toerana tsotra ny Rova fa vakoka mitahiry ny tantara sady lova », hoy ny MMM.
Vonona hiara-kiasa amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Tatamiarisoa Landry, Bianco. Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny kolikoly, araka ny fifampiresahana teo amin’izy ireo, omaly. Tanjona ny fanehoana hatrany ny mangarahara ary hampiakarana ny fitokisan’ny vahoaka.
Hentitra ny FMI. Nambaran’izy ireo fa tsy tokony hihoatra ny 800 tapitrisa dolara isan-taona ny trosa ivelany. Mila vola betsaka i Madagasikara hampiakarana ny toekareny. Nisongadina nandritra ny fihaonana teo amin’ny minisitry ny Toekarena sy ny solontenan’ny FMI ary ny Banky iraisam-pirenena izany.




