Fiaraha-mivavaka amin’ny FLM : Miantso ny hiadiana amin’ny kolikoly ny Filoham-panjakana

Niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpino FLM tao Antsirabe ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël mivady, ny alahady teo. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ireo kristianina sy ny vahoaka tamin’izany.

Nangata-bavaka ho an’­ ny firenena ny Filo­ham-panjakana toy ny ma­ha­zatra azy amin’ny fanatrehana ny fotoam-bavaka tahaka izao, ankoatra ny famaliana ny hetaheta sy ny fangatahan’ireo kristianina amin’ny fanampiana ireo ezaka ataon’­ izy ireo. Nanen­tana ny mpino rehetra ny tenany hiady amin’ ny kolikoly. « Anjarantsika tsirairay sy ny olom-pirenena na kristianina ny mampandroso ny firenena amin’ny sehatra misy antsika avy… Firenena nampahantraina i Madagasikara fa tsy firenena mahantra akory. Efa tena miezaka ny fitondram-panjakana miady amin’ny kolikoly fa tsy hanagadra olona hatrany. Mampigadra anefa na ariary aza no ahodintsika amin’ny volam-panjakana », hoy izy tamin’ny anjara fitenenany tao amin’ny FLM Antsirabe.
Nanteriny fa tsy tafarina anatin’ny fotoana fohy ny fahantrana iainan’ny vahoaka malagasy hatramin’izay fa an-dalana miezaka manarina tsikelikaly izany isika, araka ny nambarany.

Tsy hamilafila ny vahoaka
Niantso ny rehetra ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­po­blika, araka ny sehatra misy ny tsirairay eo anivon’ny fanjakana, mba hanompo vahoaka. « Aoka tsy hampijaly na hamilafila azy ireo isika », hoy ihany izy.
Notsiahivina fa efa ao anatin’ny fandaharanasa ny fa­nam­boarana ny lalana mankany amin’ny Toby Farihimena ao amin’ny faritra Vakinan­karatra. « Tena ratsy tokoa izany, ankoatra ireo lalana efa amboarina amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) sy ny fanamboarana na koa fanatsarana ny lalana eto an-tampon-tananan’Antsirabe », hoy ihany izy.
Tsiahivina, nanamarika ny faha-100 taonan’ny vola malagasy tany Antsirabe ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblika mivady, ny faran’ny herinandro teo.

Synèse R.

Partager sur: