Hazakazaka ho an’ny Firaisankina : Nandray anjara ny kolonely Rampanarivo Thierry

Tontosa ny 24 avrily ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fankalazana ny andiany fahefatra momba ny Andro iraisam-pirenena sy ny seho nasionaly, andiany faharoa, ho an’ny fanatanjahantena teto Mada­gasikara, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Haza­kazaka ho an’ny Firai­san­kina na “Course de la solidarité” no namaranana izany, ny faran’ny herinandro teo. Niainga teo amin’ny Parvis Analakely izany ary nihazo ny Kianja Barea Mahamasina. Anisan’ireo hita teny an-toerana, nandray anjara tamin’ny hazakazaka, ny Mpanolo­tsaina avon’ny Fanavaozana, ny Kly Rampanarivo Thierry. Mampiavaka ity manamboninahitra ity ny fankafizany manokana fanatanjahantena. Anisan’ny ahafantarana azy ny maha mpilalao baolina basikety azy tao Antsirabe. Voalaza fa nitondra ny solon’ anarana hoe « Pipen » mihitsy izy tamin’izany noho ny fahaizany manokana ny taranja basikety. Tsiahivina fa ny lohahevitra iraisam-pirenena tamin’ity taona ity dia ny hoe : « Ny fanatanjahantena: ma­morona tetezana, mandrava sakana ». Nanamafy izany fandraisan’anjaran’ny fitondrana izany, ny sehatra tsy miankina, ireo tanora mane­rana ny Nosy. Izany rahateo ny tanjona napetraky ny mpikarakara.

Jean Claude

Partager sur: