Kilalao maloto

 

Somary mahasanganehana ny zava-miseho eto amin’ny firenena. Toa tantara ratsy, efa fahita, no miverimberina andro aman’alina. Dorana ny Rova, lazaina fa jiolahy ny mpiambina an-dry zalahy. Henjehina sy miditra am-ponja ry malamalama. Mifamaly sy miady eny amin’ny tambajotran-tserasera ny samy mpitondra, na an-drenivohitra io na any ambanivolo.
Tsy misy fanavaozana rafitra sy fitondran-tena aloha ny mpanao politika, hatreto. Samy mikofokofoka ny mitady hirika amin’ny hamikirana toerana sy hanilihana izay soavaly matanjaka. Tsy misy resaka Madagasikara ny lohalisitra. Izaho sy ny tombontsoan’ny tenako manokana aloha dia izay. Ny teo ihany no miverina amin’ny hafangainam-pandeha TGV.
Tsy misy resaka forongony intsony miainga eo, fa nolovaina an-kitsirano ny fomba sy fanao nanonganana ny teo aloha. Samy mankamamy fahefana ny nahazo izany ambongadiny. Tsy misy an-kizara fa samy mamikitra. Mitady ny fomba rehetra hifehezana izao rehetra izao. Tsy tia tanindrazana fa am-bava fotsiny. Mahay mivarotra lela am-pitsanganana.
Ilay vahoaka malagasy ihany koa, etsy andanin’izay, mila mifoha. Aiza dia efa ampiesonina sy mihamahantra dia mbola « hafa ihany izy! ». Ny mpiasam-panjakana sy ireo nisotro ronono angaha no afaka mitsiky kely amin’izao vanim-potoana izao. Mitobatobaka ny fanomezana. Mbola mandray an-tapitrisany Ariary na ny efa tsy am-perinasa intsony aza.
Tsy hay izay loharanom-bola, fa ny zava-dehibe dia ny mihinana. Tsy misy resaka etika ho an’ilay Madagasikara. Rehefa voky aho, na mandrezatra ny ankohonako dia efa ampy izay. Tsy misy resaka ankoatra ny tanana mandray vola sy ny kibo voky. Tsy miraharaha ny fivarotana izay azo amidy ataon’ny mpitondra, na manakalo izay azo atakalo. Mila akipy ny maso.

r.r

Partager sur: