Vondrona Eoropeanina : Nomena ny « Loka Shuman » ry Rajery

Fankasitrahana ny zava-bitan’ireo mendrika, avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ny “Loka Schuman”. Maromaro ireo malagasy nisitraka izany, ka anisany Rajery.

Fankasitrahana iray fa­nampiny, ho an-dRajery. Efa maro ny nampisongadina ity mpanakanto ity teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mbola niampy iray izany, omaly. Anisan’ireo malagasy nisitraka ny «Loka Schuman», avy amin’ny Von­drona Eoropeanina mantsy ity mpanakanto ity. Maromaro izy ireo, fa Rajery no tao amin’ny sokajy mozika. Noho ny ezaka nataony ho fiarovana sy fampiroboroboana ny mozika, sy ny fampitan-kafatra manentana ny mpiarabelona izay nilofosany an-taonany maro izany.

Teo aminy sokajy literatiora, nahazo ny loka ihany koa i Hary Rabary, tamin’ny alalan’ ilay boky «Za koa !». Misy ady nentin’ity mpitsabo manokana ny vehivavy ity tanatin’ny boky nosoratany, ka nahazoany izao fankasitrahana izao. Toraka izany koa ny an’i Luck Razanajaona, mpanatontosa sarimihetsika nanao ny «Disko Afrika». Nanasonga­dina ny tena iainan’ireo tanora izy, tamin’ny alalan’ity horonantsary ity.

Ny tena loka voalohany kosa dia nomena an’i Kemba Ranavela, mpanoratra, mpivarotra ny zon’olombelona ary anisan’ireo niady ho an’ny zon’ny vehivavy manokana, indrindra ny mahakasika ny fanalan-jaza sy ny fanambadiana aloha loatra. Manaraka azy tao i Ketakandriana Ra­fitoson, nanangana ny Wake Up Madagascar, mpitolona mafana fo amin’ny ady amin’ ny kolikoly. I Rivonala Razafi­arison kosa no nahazo izany teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.
Tsiahivina fa 10 taona lasa izao no namoronana ny “Loka Shuman”, tany Birmanie. Nampitondraina ny anaran’ny Rain’ny Vondrona Eoropea­nina izany. Natao hanasongadinana ireo olombelona mizara ny lalan-tsaina voizin’ny Vondrona Eoropeanina, dia ny fiarovana ny zon’olombelona, ny fahamarinana anaty fiarahamonina, ny rariny sy ny hi­tsiny, sns, ny loka. «Miaina fiofoana i Madagasikara izao. Manomboka avy aty anatiny, avy amin’ireo tanora, avy amin’ny tsirairay na lahy na vavy izany. Tsy miankina amin’ny avy any ivelany io», hoy ny nambaran’ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeani­na, Rolland Kobia, izay miasa sy monina eto amintsika, nandritra ny fanolorana ny loka, omaly.

Zo ny Aina

Partager sur: