Hotanterahina ny 11 sy ny 12 mey ho avy izao, ny hetsika lehibe iraisam-pirenena “Africa Forward”. Tompon’ny fanasana amin’izao fihaonana izao ny filohan’ny Repoblika Kenyanina, William Samoei Ruto sy ny filoha filoha Frantsay, Emmanuel Macron. Anisan’ireo nasain’izy ireo ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël.
Hihaonan’ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina maromaro miaraka amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ny hetsika iraisam-pirenena “Africa Forward». Maherin’ny 2 000, ohatra, ireo filoha tale jeneralina orinasa hanatrika izany.
Mivelatra tanteraka ity hetsika ity. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny adihevitra sy fifanakalozana ifanaovan’izy ireo ny momba ny vina hanovana sy hampandrosoana ny toekarena aty Afrika. Ho voaresaka manokana ao anatin’izany ny eo amin’ny sehatry ny famatsiam-bola sy ny momba ny fananganana indostria maharitra. Eo koa ny fiovana mankany amin’ny angovo azo havaozina sy ny fanavaozana ny teknolojia. Tafiditra ao anatin’izany ny lafiny toekarena sy ny fotodrafitrasa ary ny tontolon’ny fambolena. Manampy izany ny famoronana sy ny resaka mozika.
Tsiahivina fa fiaraha-miasa eo amin’i Afrika sy i Frantsa ity fihaonana ity, iresahana ny lafiny fampandrosoana sy ny fanovana.
Synèse R.




