Niomerika ; Solosaina 100 ho an’ny MSK sy ny ORTM

Nahazo solosaina miisa 100 avy amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra (MNDPT) ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera (MSK) sy ny ORTM, ny alatsinainy teo. Hetsika mifanandrify amin’ny herinandron’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny haino aman-jery ho an’ny daholobe. Hanafainganana ihany koa ny fanovana niomerika eo amin’ny sehatry ny fampitam-baovao izao fanomezana izao. Solosaina miisa 50 natokana ho an’ny MSK, raha ho an’ny “Office de la radio et de la télévision malgache” (ORTM) kosa ny 50 hafa. Hapa­ritaka any amin’ny faritra ny ankamaroan’ireo fitaovana ireo mba hamaliana ny filana any an-toerana satria efa antitra sy simba avokoa ny ny 80% amin’ireo “émetteurs” miisa 260 manerana ny Nosy. Tanjona ny hamerenana ny onjam-peom-pirenena (RNM) ho fitaratra sy maoderina ary afaka mifaninana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho fanomezana fitaovana enti-mamokatra ho an’ny mpanao gazety sy ny teknisianina ihany koa.

Henintsoa

Partager sur: