« Tombokavatsan’ny Havàtsa » : Hanandratana an’i I.P Andriamangatiana

Tafiditra ao anatin’ny fanomezan-kasina sy lanja ireo mpanoratra sy raiamandreny ao aminy. Hisy ny « Tombokavatsan’ny Havàtsa » ho an’i I.P. Andriamangatiana.

Iharilanto Patrick Andria­man­gatiana, andrarezin’ny soratra sy ny tontolon’ny fanabeazana. Ny fahatsapana ireo soa omeny. Hanandratra sy hanome hasina azy sy ny sanganasany ny Fikamba­nan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Hisy ny hetsika « Tombo­ka­vatsan’ny Havàtsa » ho an’Iharilanto Patrick Andria­mangatiana, ny sabotsy 16 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny IKM Antsahavola. Hose­harin’ny Havàtsa-Upem, amin’io fotoana io, ireo sombintantara mahatsikaiky nosoratan’i I.P. Andriamangatiana, ka ny tononkalony ihany no handravaka izany. Hiaka-tsehatra ihany koa ny tarika Tafasiry Kolokanto sy i Rija Ramanantoanina. Fantatra fa filoha am-boninahitry ny Ha­vàtsa-Upem i I.P. Andriaman­gatiana. Mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ihany koa.
« Tany amin’ny faha-15 taonako aho no efa nanoratra. Mety mbola nianatra nanoratra ihany tamin’izany… Ny tan­joko sady hanaovako ezaka dia ny hivelaran’ny kanto vita amin’ny soratra. Hampitia ny soratra ny rehetra… », hoy i I. P. Andriamangatiana. Mbola lesoka eo amin’ny tontolon’ny soratra ny fanapariahana ny boky, raha ny fanazavany. « Ilay ako avy any amin’ireo izay namaky na naheno ny asasoratro no anisan’ny ma­hafaly ahy tao anatin’izay taona maro nanoratako izay », hoy izy.
Nomarihiny fa ankoatra ny boky, manatanteraka velakevitra izy. Mihaona mivantana amin’ny mpianatra, mpampianatra, mpikaroka, sns. Misy amin’ireo tantara nosoratany ihany koa no lalaovina eny an-tsehatra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: