Nipoitra indray Ramalagasy sy ny toetrany, omaly. Taitaitra sy mikoropaka amin’ilay tsy manaiky ho gisitra izany. Inona moa no tiana hambara? Mahakasika ilay fikorontanana tamin’ny resaka famatsiana solika. Vao nilatsaka ilay hamehana mahakasika ny angovo, afakomaly alina, efa nampoizina ny fivoaran’ny raharaha. Samy sanganehana daholo ny rehetra! Inona marina […]
Mois : avril 2026
Filoha, Kly Randrianirina Michaël: « Ilaina ny fisainana vaovao ho an’ny mpiasam-panjakana »
Nandray fitaovana informatika avy amin’ny Pnud ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, teny Ambohitsirohitra. Tamin’izany, nisy hafatra nampitainy tamin’ireo mpiasam-panjakana. «Takina amintsika mpiasam-panjakana ny fomba fiasa sy fisainana vaovao. Fitantanana miorina amin’ny fahombiazana sy ny mangaraharaha ary ny tamberin’andraikitra ahitam-bokany ho an’ny vahoaka ny fanavaozana», hoy izy. Tsy vitan’ny […]
TSELATRA
Nahatratra 150 tapitrisa Ariary ny fatiantoka noho ny fahamaizan’ny tsena sasany ao amin’ny Pochard, afakomaly. Niainga tao amin’ny Box 5 ny afo. Niitatra haingana be izany ka nahazo ireo tsena manodidina azy. Ramatoa iray sahabo ho 40 taona namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny hopitaly Manara-penitra […]
Nisoloky vola an-tapitrisa : Fito mianadahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo olona fito voasaringotra tamin’ny asa fisolokiana tao Manjakaray, ny talata 7 avrily teo. Naharay fitarainana momba ny fisiana tambajotra misoloky entan’olona, toy ny voamaina sy vary amin-taonina ny polisim-pirenena. Avo lenta tanteraka ny fomba hangalan’ireo mpisoloky ny entana […]
Mpivady niara-nisotro toaka
Niara-nisotro zava-pisotro misy alikaola ny mpivady vao tany amin’ny fokontany Dépôt, kaominina Toamasina. Nisotro toaka izy ireo nandritra ny fankalazana ny Paka sy ny Alatsinain’ny Paka lasa teo. Vokany, namoy ny ainy noho ny tsy fahazakana sy ny fahabetsahan’ny tahan’ny alikaola tao anatiny ilay ramatoa 40 taona. Torana tsy mahatsiaro […]




