Mois : avril 2026

« Tombokavatsan’ny Havàtsa » : Hanandratana an’i I.P Andriamangatiana

Tafiditra ao anatin’ny fanomezan-kasina sy lanja ireo mpanoratra sy raiamandreny ao aminy. Hisy ny « Tombokavatsan’ny Havàtsa » ho an’i I.P. Andriamangatiana. Iharilanto Patrick Andria­man­gatiana, andrarezin’ny soratra sy ny tontolon’ny fanabeazana. Ny fahatsapana ireo soa omeny. Hanandratra sy hanome hasina azy sy ny sanganasany ny Fikamba­nan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. […]

TARATRY ny KANTO

Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy ihany koa isika, omaly. Isaky ny 29 avrily izany, saingy efa herinandro mialoha izao no nisy ny hetsika isan-karazany. Vory tetsy amin’ny Havoria Anosy ireo mpisehatra rehetra momba ny dihy: mpamorona, mpandihy, mpankafy, sns. Nanjakan’ny fifanakalozana, nanehoana indray fa kanto tsy misy fefy, […]

Fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny FSM : Tranga melohin’ireo raiamandreny ara-panahy any Diego

Manoloana ny tranga fanalan’ireo andian’olona ny filohan’ny Silamo eto Madagasikara (FSM), Absouary Said Arsè­ne, tetsy amin’ny Centre culturel Omar El-Farouk, 67 Ha Antananarivo, afakomaly. Na­nao fanambarana ny raiamandreny ara-panahy sy ny filohan’ny Association Islamique any Diego Suarez. Namba­ran’izy ireo fa efa olobe sy raiamandreny i Oustaz Absou­ary Said Arsène. Mpam­pianatra […]

Amin’ny sehatry ny asa: Marihina ny andron’ny soro-doza

“Miara-mientana isika ho an’ny filaminana ara-tsaina sy ara-tsosialy eny amin’ny toeram-piasana”. Io ny lohahevitra ifantohan’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny soro-doza sy ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa. Nisy ny fidinana ifotony notanterahan’ny minisiteran’ny Asa teny amin’ny orinasa tsy miankina, niarahana tamin’ny Cnaps sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary […]

Taom-pianarana 2025-2026: Manomboka ny fanefana ny vatsim-pianarana

Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny fahazoan-dalana famindram-bola handoavana ireo vatsim-pianarana sivy volana miaraka amin’ny fampitaovana ho an’ireo oniversite enina sy IST telo ary ny oniversite manakaiky vahoaka. Efa namoaka ny tetiandro fandoavana ny vatsim-pianarana ho an’ny doctorant amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny minisiteran’ ny Fampianarana ambaratonga ambony […]