Firenena matanjaka, manana maodely ara-toekarena azon’i Madagasikara hiara-miasa i Maraoka. Antony nahatonga ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) niantso azy mandritra ny « Salon de la créativité Voatra, andiany faha-12. « Manana tombony sy traikefa ary fahaiza-manao avo lenta i Maraoka, mifameno amin’i Madagasikara », hoy ny filohan’ny CCIA, Razafintsalama […]
Mois : avril 2026
Ceo Summit 2026 : Hotanterahina manomboka anio
Tanterahina androany sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Ceo Summit, andiany faharoa. Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina izy ity. Hivondrona amina toerana iray ireo mpisehatra ara-toekarena maro avy amin’ireo firenena manodidina sy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanjona ny hampifandray ny vina, hampiroboroboana ny toekarena. Hisongadina mandritra ny […]
Famatsiana solika : Ampy ny tahiry eto Madagasikara
Manana tahirin-tsolika hatramin’ny 21 avrily i Madagasikara saingy mikorontana ny fitsinjarana ka mahatonga ireo tobin-tsolika manana tahiry na tsia. Mitohy ny famatsiana ary andrasana ho tonga amin’ny herinandro ny sambo mpitatitra solika manaraka. «Misy ny solika saingy mila alamina ny fitsinjarana azy». Nivoitra izany nandritra ny valandresaka nataon’ny tale jeneralin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Manana ambim-bava mitentina roa miliara Ariary mahery ny kaominina Mahajanga I. Nivoitra izany nandritra ny fandinihana ny kaontim-pitantanana “Compte administratif 2025». Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina ho an’ny taona 2026 ny fampitomboana ny tamberin’andraikitra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa. Tokony hatsahatra amin’ny asany ny Ceni mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoham-pirenena, araka ny […]
RPSD : “Tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenena”
“Manohana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny antoko RPSD. Na izany aza, tsy mety ny mametraka fepetra henjana hoe fe-potoana 72 ora. Ny azo eritreretina: tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenana.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny […]




