Mois : avril 2026

Toamasina : Lany ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka hampiditra bus

Efa manomboka ny fanamboarana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Hampiasa izany koa ny bus fitateran’olona amin’ny sarany zakan’ny daholobe. Manoloana ny fampiakaran’ireo mpitatitra amin’ ny bajaj sy ny posy ny saran-dalana efa ho 2 000 Ar – 3 000 Ar, nolanian’ny filankevitra kaominaly ny tolo-kevitry ny mpanatanteraka anivon’ny Fia­didian’ny kaominina. […]

Judo-Afrika : Nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura

Medaly tokana tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, no norombahin’ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Nairobi Kenya, ny faran’ny herinandro teo. Medaly alimo io azon’i Laura io, teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, rehefa nandavo ilay teratany alzeriana, i Rezoug Amina, izy teo amin’ny fiadiana ny […]

Hazakazaka Firaisankina – La vache qui rit : Voalohany i Alain sy Ralisinirina

Tontosa omaly, teto An­tananarivo, ny hazakazaka Firaisankina, nokarakarain’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA), niarahana tamin’ny Somadis sy ny La vache qui rit. Nandrombaka ny laharana voalohany, teo amin’ny halavirana 15 km, sokajy sénior, lehilahy, Ratsio­risoa Alain, narahin-dRebiby ary fahatelo Andrianina Aina. Teo amin’ny vehivavy, nandrombaka ny fandresena Ralisinirina Marthe. Faharoa, Rasolohelimanana […]

JJB-“Gi Tournament Battle-XX” : Nisongadina ny klioban’ ny Checkmat

Mpikatroka 135 no nifaninana tamin’ny “Gi Tournament Battle-XX”, natao teny Mahamasina, ny sabotsy teo. Nisongadina ny klioban’ny Checkmat. Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny La­pan’ ny fanatanjahantena Ma­ha­­masina, ny fifaninanana “Gi Tournament Battle-XX”, taranja Jiujitsu breziliana. Fifaninanana izay nokarakarain’ny JJB Attila. Efa fanao isan-taona izy ity, nanomboka ny taona […]

VAOVAO TAMBATRA

Ho halavaina ny fe-potoana fifanarahana amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana ny lalana «voie rapide» any Toamasina. Mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena RN2 ity lalana ity, izay tanterahin’ny orinasa Sinohydro. Hivoaka ny tetibola handoavana ny karama tsy voaloa ho an’ireo mpiasan’ny FCE, zotran-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Haloa […]