Judo-Afrika : Nahazo medaly alimo Rasoanaivo Laura

Medaly tokana tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, no norombahin’ny delegasiona malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, natao tany Nairobi Kenya, ny faran’ny herinandro teo. Medaly alimo io azon’i Laura io, teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, rehefa nandavo ilay teratany alzeriana, i Rezoug Amina, izy teo amin’ny fiadiana ny laharana fahatelo. Isa 11 no ho 0 no azon’i Laura. Raha fintinina kosa ny vokatra azon’ny Malagasy tamin’ny ankapobeny, medaly alimo iray, laharana fahadimy iray, laharana fahafito 2, nihintsana teo amin’ny fihodinana faharoa ny 5 ary resy tamin’ny fihodinana voalohany ny 3. Tsiahivina fa atleta 12 no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Seniors ity. Nambaran’i Laura fa tsy afapo tamin’ny vokatra azony izy, tsy te hiady ny alimo intsony izy rehefa resy tamin’ny manasa-dalana. Mbola ho avy anefa, hoy izy, ny fotoana hiverenako ho mafy ary mbola vonona ny hanonitra ny tsy nety izy.

Mi.Raz

Partager sur: