« Speed recruiting » an’i Yas : Tanora an-jatony mirohotra mitady asa

Filaharana lavabe no hita tetsy Andraharo, ny alakamisy 30 avrily. Tanora sy olon-dehibe an-jatony no tonga nitady asa tao amin’ny hetsika “speed recruiting” nokarakarain’i Yas Madagascar. Natao tao amin’ny Birdy, Galaxy Golf Andraharo, ny hetsika.

Nanomboka ny maraina ka hatramin’ny tolakandro, maherin’ny 500 ireo mpitady asa tonga. Ma­herin’ny 400 tamin’izy ireo no nametraka CV. « Ma­nolotra asa 100 mahery kely ny Yas Madagascar amin’ity taona ity », Araka ny fanazavan’ny tale misahana ny mpiasa sy ny maha olona (DRH) ao amin’­ny Yas Madagascar, Rajaofera Voca Gaël. « Mi­kendry ny handray mpiasa vaovao an-jatony izahay, indrindra ireo tanora vao nahazo diplaoma sy ireo mitady asa maharitra », hoy izy.
Nifantoka tamin’ny « speed recruiting » ny hetsika. Na­hazo 5 minitra ny kandidà tsirairay hihaona amin’ny mpampiasa. « Fotoana fohy nefa ahafahana mampiseho ny fahaiza-manao sy ny tanjona izany », hoy hatrany ny fanazavana voaray. Afaka nametraka CV, indrindra indrindra, ireo izay tonga teny an-toerana sy fakana sary matihanina maimaimpoana ho an’ny mpandray anjara. Tamin’ny 11 ora, nisy fampahafantarana momba ny asa ao amin’ny orinasa. Na­hafahan’ny kandidà nahafantatra bebe kokoa ny andraikitra sy ny fanamby isan’andro izany. Nisy ihany koa ny toerana fampirantiana ny tombontsoa omen’ny orinasa, toy ny fiofanana, fifanakalozana traikefa ary fanohanana samihafa.
Sosialin’ny mpiasa
Mampanantena fitovian-jo ho an’ny rehetra ny Yas Madagascar. « Manome vintana mitovy ho an’ny sokajin-taona rehetra izahay, ary misokatra ho an’ny olona manana fahasembanana ihany koa », hoy ny DRH. Manamafy ny orinasa fa zava-dehibe ny fahasalamana sy ny fivelaran’ny mpiasa. Misy fitaterana, toeram-pitaizana zaza, ary fiofanana mitohy. Nohamafisiny fa « Miezaka ny Yas hanome tontolo iainana ahafahan’ny mpiasa mivoatra eo amin’ny asa sy ny fiainana manokana ».

Henintsoa

Partager sur: