Handball – Cadet – Junior: Hampiantrano ny IHF Trophy i Madagasikara

Hotanterahina eto Mada­gasikara, ny 27 ka hatramin’ny 31 mey, ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, taranja handball na ny IHF Trophy. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy zandriny lehilahy «cadet» sy «ju­nior». Io no nambaran-dRatsi­mandao Andriamanga Heri­lovasoa, filohan’ny federasionina malagasy (FMHB), tao amin’ny tambajotran-tseraserany, ny sabotsy lasa teo. Hampian­trano izany ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Araka ny vaovao nampitainy hatrany, firenena dimy no hiady lohany amin’ity dia i Madagasikara mpampiantrano, La Reunion, Comores, Mayot­te ary i Seychelles. Fantatra fa firenena telo amin’ireo ihany no manana solontena amin’ireo sokajy roa hifaninanana dia ny Akion’i Mada­gasikara, Comores ary i Mayot­te. Hita ao amin’ny «ca­det», i Madagasikara, La Réunion, Comores ary i Mayot­te. Ho an’ny «junior» indray Madagasikara, Mayotte, Co­mo­res ary i Seychelles. Ma­rihina fa hisolontena ny faritra fahafito, amin’ny IHF Trophy kaontinantaly, izay tompondaka, amin’ireo sokajy roa ireo. Tsiahivina fa izao vao tafiditra ho anisan’ireo handray anjara amin’ity fifaninanana ity, ry zareo Renione. Heverina, araka izany, fa ho mpifanandrina maozatra ny ekipan’izy ireo na «cadet», aza no handraisany anjara.

Tompondaka

Partager sur: