Federasiona malagasin’ny baolina kitra: Namokatra horonantsary mirakitra ny tantara

Naseho tao amin’ny Cine­pax Ambodivona, omaly, ny rakitsary mirakitra ny tantaran’ ny baolina kitra malagasy sy ny fanazavana nataon’ireo mpilalao kalaza fahiny. Ani­san’ny tao anatin’izany ry Rasoanaivo Rado, tale teknikan’ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra (FMF), i Me­na­kely, mpanazatra ny Barea U17, Jeremy mpanazatra, ny Coach Rôrô, Rakotoarima­nana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga. Tao koa i Tendry Mataniah sy i Koloina na Rakool, lohalaharana efa nanao Barea A sy A’, i Morgan Jean Pierre, vodilaharana Barea A. Tanjon’ny FMF, amin’izany, ny hampafantarana ny Malagasy maro ny tantaran’ny kitra malagasy. Raha ny fanazavana nataon’ny tompon’ny fikarohana, i Tsitoara Serge Thierry, izay komity mpanatanteraka eo anivon’ny FMF, naharitra herintaona ny fikarohana natao ary dingana manaraka ny handefa izany amin’ny televiziona malagasy, ny alahady ho avy izao. Aorian’io hamoaka boky mampiseho io fikarohana nataony io ity rafitra federaly ity. Marihina fa nanatrika ity lanonana fampirantiana ity Randriamanampisoa Alfred, filohan’ ny FMF.

Fitia Randria

Partager sur: