SOMBIM-BAOVAO

Efa tafiditra tanteraka anatin’ny ekipan’ny CEA Andranomanalina ny mpanazatra, Coach Son, izay nitondra ny FTM Manjakaray teo aloha. Efa tazana mitondra ny fanazarantenan’ireo mpilalaon’Andra­nomanalina, eny amin’ny Kianja Makis Andohata­penaka, ny tenany. Tanjon’ny CEA amin’ny taom-pilalaovana hoavy ny hanarina ny lesoka rehetra, ka ny mba hanaovany pao-droa. Sady haka ny tompondaka sy ny amboara nasionaly. Tsiahivina fa naka mpilalao vaovao ihany koa ry zareo, anisan’izany i Mbola, mpilalaon’ny 3FB teo aloha.
Hifarana amin’ny volana febroary ho avy izao ny fifanarahana amin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barean’i Madagasikara. Anisan’ny tanjona napetraka taminy ny hiakaran’i Madagasikara amin’ny fifaninanana afrikanina Can 2027. Tsy tafita tamin’izany nefa ny Barea, ka mipetraka ny fanontaniana, mbola hanohy ny fifanarahana aminy ve ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny fitondram-panjakana. Tsiahivina fa mbola manana lalao roa ny Barea, ny volana marsa ho avy izao, saingy efa tsy misy akony intsony izany na mahita fandresena roa aza ry zareo.
Namoaka fanambarana ny Fitsarana avo momba ny fanatanjahantena (TAS), omaly, fa ny ek­ipan’i Senegal no nibata ny amboara ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika taorian’ny fitoriana izay nataon’ny Federasiona senegale ny baolina kitra. Tsiahivina fa talohan’io, ny Caf, nanambara fa i Maroc no nandresy rehefa niala teny ambony kianja nandritra ny fotoana kely ny liona senegale. Tapitra hatreo izany ny resaka fa i Senegal no tompondakan’i Afrika, tamin’ny taona 2025.

Partager sur: