Hiatrika fifaninanam-pirenena indray ny Makis Ladies, amin’ity volana mey ity. Hanafika atsy Kenya, ka hiady ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy “performance division”, ho an’ny rugby lalaovin’olona 15. Firenena efatra no hiady ho lohany amin’izany.
Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’ i Afrika, sokajy «Performance division», vehivavy, ho an’ny taranja rugby lalaovin’olona 15, i Kenya. Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 31 mey ho avy izao izany. Hiady ho lohany amin’ity ireo ekipa efatra, dia Kenya, mpampiantrano, i Afrika Atsimo, miampy an’i Ouganda sy i Madagasikara.
Raha tsiahivina, nandray io fifaninanana io, indroa miantaona ny Malagasy, ny taona 2024 ary nitana ny laharana faharoa. Ny taona 2025, nahazo ny laharana fahatelo. Amin’ity, hanafika indray izany ny Makis Ladies. Mbola sakana ho an’ny tovovavy malagasy ry zareo Afrikanina Tatsimo izay indroa nahazo ny amboara. Hanala vela amin’izy ireo izany ny Makis Ladies, amin’ity. Indray mandeha ihany koa ny Makis Ladies no nandresy an-dry zareo Kenyanina dia ny tamin’ny taona 2024. Vela iray tsy maintsy esorina ihany koa izany ny fifanandrinana amin’izy ireo, izay hilalao eo an-jaridainany. Ouganda indray tsy mbola nandresy ny Makis, saingy efa nivoatra be izy ireo, ankehitriny.
Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany amin’ny Makis Ladies, ry zareo Afrikanina Tatsimo, ny sabotsy 23 mey ary hifampitana amin’i Kenya, eo amin’ny lalao faharoa, ny alarobia 27 mey. Ny fihaonana farany dia ny fifandonana amin’ny The Cranes Ouganda, ny alahady 31 mey.
Efa ao anatin’ny fanomanana io lalao goavana io, amin’izao fotoana, ireo mpilalaon’ny Makis Ladies, izay tantanan’ny mpanazatra Mamy. Araka ny fantatra, hisy ireo mpilalao vaovao handrafitra ny ekipam-pirenena fa eo koa ireo mpilalao mbola ho voatazona.
Tompondaka




