Asan’ny governemanta : “Mila vokatra mivaingana ny vahoaka”

Nisokatra, omaly, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, amin’ity taona ity. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mitaky vokatra amin’ny governemanta ny vahoaka.

“Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimie­rampire­nena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimie­rampirenena teny Tsimbaza­za, omaly. Antenaina fa ho tena “Choc choc” tokoa ny governemanta. Tsy hihemotra na hitavozavoza amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny fangalarana volam-bahoaka sy ny harem-pirenena, raha ny filazany. Hifantoka kokoa amin’ny famahana ny olana tena laharam-pahamehana ny tetibolam-panitsiana. “Mahatsa­pa ny Antenimierampirenena fa efa ela nijaliana sy sahirana ary niaritra ny mafy ny vahoaka malagasy”, hoy izy.
Nampahatsiahiviny fa adi­dy sy andraikitra napetraky ny lalàmpanorenana amin’ny mpitondra ny hitondra sy hametraka tontolo manodidina ny ara-tsosialy sy toekarena milamina, hahazoan’ny va­hoaka malagasy hanana fiainana mendrika sy ny maha olona.
Azo tsapain-tanana

«Noho izany, tsy manan-jo tsy hahomby sy hamitaka ary handiso fanantenana ny va­hoaka.
Maro ireo asa mbola miandry… Hanombohana ny fanatsarana ny fiainam-pirenena amin’izao Fanavaozana izao, andrasana ny fanatsarana ny fandriampahalemana, ny fa­hasalamana, ny fampianarana… Eo koa ny fanamboaran-dalana sy ny fotodrafitrasa maro potika tanteraka, ny fanarenana ireo orinasa lehibe stratejika izay tokony ho andry ara-toekarena ary tsy ho loharanom-pahasahiranana. Manjary fahantrana ny harena tsy voakarakara.”, hoy hatrany izy.
Hatomboka tsy ho ela ny asan’ny vaomiera parlemantera mpanadihady ny fitantanana ny Air Madagascar, ny tetikasa harena an-kibon’ny tany Ambatovy, ny tetikasa Base Toliara, ny fitantanana ny Jirama, ny fitantan’ny filoha teo aloha Rajoelina, ny fitantanana ny zotran-dalamby, ny fitrandrahan’ny QMM “ilménite”, sns.

R. Nd.

Partager sur: