« LDC 2026 » – Bayern vs PSG : Tsy afaka hilalao i Hakimi

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Allianz Arena Munich, ny lalao miverina hifanandrinan’ny Bayern Munich, ekipa alemà sy ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay. Fihaonana izay tafiditra amin’ny manasa-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions 2026”. Mbola manala vela amin’io fihaonana io ny Bayern, satria efa resin’ny PSG, tamin’ny isa 5 no ho 4, ny Bavaroa. Araka ny fikarohana natao, omaly, tsy afaka hilalao i Achraf Hakimi, vodilaharan’ny parizianina, ka tsy maintsy i Warren Zaire Emery, Frantsay mpilalao no hanolo ny toerany. Tsara ny mampahatsiahy fa voa eo amin’ny hozatra i Achraf Hakimi, tamin’ny lalao mandroson’ny ekipa roa tonta, tany Parc de Prince. Mbola ao anatin’ny heriny tsara ihany kosa ry Dembele sy i Doué ary i Barcola, lohalaharana. Hiady mafy kosa ry Olisé, sy Kane, mpilalaon’i Bayern amin’io. Marihina fa raha mandresy amin’ny elanelan’­ isa roa ny Bayern, tafita any amin’ny famaranana. Raha amin’ny isa iray kosa, miditra amin’ny fanalavam-potoana ny fihaonana.

F.R

Partager sur: