SOMBIM-BAOVAO

Nandrombaka ny amboaran’ny ligy Boeny, nandritra ny famaranana ny fifaninanana nasionaly, dingana voalohany, vondrona B, ny GNBC Analamanga sy ny COSPN Analamanga. Teo amin’ny vehivavy, resin’ny GNBC tamin’ny isa 73 no ho 62 ny BC Somava Sava. Nolavoin’ny COSPN tamin’ny isa 92 no ho 55 kosa ny Ascum Boeny, teo amin’ny sokajy lehilahy.

Hotanterahina ny zoma 8 mey izao, ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Coach Clinic”, taranja basikety, karakarain’ny Ligin’Analamanga ny Basikety, izay hiarahana miasa amin’ny AIA (Athletes in Action Madagascar-Canada). Mifarana rahampitso ny fisoratana anarana amin’ity fiofanana ity.

Araka ny fikarohana natao omaly, maro ireo mpankafy ny Real Madrid, klioba espaniola, mangataka ny fialan’ilay frantsay mpilalao baolina kitra, Kylian Mbappé. Nisy ny fanangonana sonia, natao tany anaty tambajotran-tserasera, ka tao anatin’ny adiny iray fotsiny dia nahatratra 70 000 mahery ireo olona nanao sonia izany fangataham-pialany izany.

Partager sur: