Misoko mangina. Efa ao anatin’ny faminavinana ireo tetiandro samihafa ho amin’ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity ny momba ireo dingana samihafa hirosoana.
« Tokony hotanterahina amin’ny volana jona na jolay 2027 ny fifidianana ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahadimy. Hatao ny volana oktobra amin’io taona io ihany koa ny fifidianana filoham-pirenena », hoy ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, tetsy amin’ny biraony, tetsy Alarobia. Mialoha izany, natsidiny fa tokony ho vita ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Tokony hikatona ny volana avrily na ny mey amin’ny taona ho avy izany.
Na izany aza, mbola tombantombana ihany ny an’ny eo anivon’ny Ceni. Mbola tena miankina tanteraka amin’ny fanapahan-kevitra horaisin’ny herivelona amin’ny fikaonandoham-pirenena izany tetiandro vonjimaika natolotry ny avy eny Alarobia izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa tokony hatao mialoha ny desambra 2027 ny fifidianana lalàmpanorenana raha ny tetiandro teo aloha, novolavolain’ny minisiteran’ny Fanavaozana. Hotanterahina mialoha ny marsa 2028 kosa ny fifidianana filoham-pirenena, araka io tetiandro teo aloha io ihany.
Niova anefa izany izao. Efa nanambara rahateo ny eo anivon’io minisitera io fa tokony hifarana ny jona 2027 ny fanatontosana ireo fehin-kevitra tapaka amin’ny fikaonandoha. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fifidianana ny lalàmpanorenana. Mety ho tokana na maromaro izany. Manampy izany ny fankatoavana ny fehin-kevitra hivadika ho lalàna manan-kery handehanana any amin’ny Repoblika fahadimy. Anisan’izany ny momba ireo rafitra notakin’ny tanora.
Synèse R.




