Nahafapo ny vokatra ho an’ny taranja tsipy kanetibe, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Maurice. Noporofoin’ny Malagasy hatrany fa tsy sahaza ny fahaiza-manaony intsony ny aty Afrika sy ny ranomasimbe Indianina.
Tafaverina an-tanindrazana, afakomaly, ny ekipam-pirenena malagasy, tsipy kanetibe. Avy niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra fahefatra izy ireo. Fifaninanana notanterahina tatsy Maurice, tamin’ny faran’ny herinandro. Tsiahivina fa norombahan’i Madagasikara avokoa ny medaly volamena efatra, niadiana tamin’izany.
Miezinezina ny fandresena fa tsy nahoraka mihitsy ny fitsenana azy ireo teny Ivato. Tsy nahitana solotenam-panjakana toy ny mahazatra ny fandraisana azy ireo. Raha tsiahivina, rehefa mitondra avo ny lazan’i Madagasikara toy izao ny ekipam-pirenena, na taranja inona na taranja inona, misy hatrany ny hetsika manokana omanin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Misy ihany koa ny fankasitrahana manokana ny mpilalao.
Ny fianakaviana sy mpankafy ihany no nandray ny mpilalao. Marihina fa anisan’ny taranja hahafantaran’izao tontolo izao an’i Madagasikara ny tsipy kanetibe. Efa imbetsaka nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany, na teo amin’ny sokajy “junior” na ho an’ny “senior”, na teo amin’ny “tir de précision” vehivavy, koa aza ny Malagasy.
Raha ny vokatra azo tatsy Maurice ity dia manamafy fa tsy antonona an’i Madagasikara intsony ny faritry ny Ranomasimbe Indianina sy ny kaontinanta afrikanina. Samy niaiky izany na ny mpifanandrina na ny Federasionina maorisianina sy ny mpanao gazety tany an-toerana. Dingana manaraka ho an’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) ny amboaran’ny kaonfederasionina, hifanandrinan’ny tompondaka isam-paritra. Andrasana ny daty sy ny firenena hampiantrano izany.
Tompondaka




