Niavaka ny fifaninanana “Critérium Enfants”, nokararain’ny UKCM (Union des karatekas ceinture noire de Madagascar) ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Ankoatra ny fitomboan’ny mpandray anjara, izay tafakatra hatramin’ny 250, nisy ihany koa ny fanomezana mariboninahi-pirenena ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny UKCM. Mpikambana 20 mianadahy no nahazo izany ary anisan’izany ny filohan’ny UKCM, Randriamanantsoa Lalajaona, izay nahazo ny “Grand Croix 2è place de l’ordre national malagasy”, no sady nahazo ny grady ” Ceinture noire 8èDan”. Nambaran’ity filohan’ny UKCM ity fa zava-dehibe ho azy ireo iny hetsika iny izay nizarana ny mariboninahi-pirenena, ka nisaorany manokana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara namaly ny fangatahan’izy ireo. Ny “Critérium Ceinture noire” indray ny fandaharam-potoana manaraka miandry ny UKCM, mialoha ny fampiakarana grady. Tsiahivina fa manodidina ny 9 000 eo amin’izao ny isan’ny mpikambana eo anivon’ny UKCM manerana an’i Madagasikara.
Mi.Raz




