Gymnastique Rythmique: Top 7 Rakotonirina Tiara, tany Afrika Atsimo

Niatrika voalohany ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja Gymnastique Rythmique, ny atleta malagasy, Rakotonirina Tiara, ny faran’ny herinandro teo. Fifaninanana izay notontosaina tany Afrika Atsimo. Tsara ny vokatra ho azy satria na vao sambany aza izy no nifaninana teo amin’ny sehatra afrikanina dia efa tafiditra sahady ao anatin’ny Top 7. Laharana fahadimy izy, teo amin’ny Ballon, faha-7 kosa teo amin’ny Massues sy cerceau. Tsiahivina fa 24 ireo niatrika ny fifaninanana ka 8 tamin’ireo no niatrika ny famaranana ary anisan’izany i Tiara. Taranja manomboka mivoatra ity taranja ity ary tsy mitsahatra ny mikaroka izay hampandrosoana izany ny Federasionina malagasin’ny Gymnastique. Tsiahivina fa efa nizara ny traikefany teto Madagasikara i Tiara, tamin’ny taona 2025 ary hita taratra fa tena liana tamin’ny “master class” nataony ny Malagasy, ankizy sy tanora, miangaly ity taranja ity.

 

Mi.Raz

Partager sur: