Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc andiany fahatelo. Hanao tombana ny toe-draharaha eto an-toerana ny anton-dian’izy ireo.
Tonga eto Madagasikara, afakomaly alina, ny iraka manokan’ny Sadc, tarihin’ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha, sady mpikamban’ny Komitin’ny Olobe eo anivon’ny Sadc no lehiben’ny delegasionina amin’izao dian-dry zareo izao, ny Dr Joyce Banda. Iraka andiany fahatelo avy amin’ny Sadc izy ireo, izay haharitra hatramin’ny 10 mey ho avy izao. Ao anatin’ny fampiharana ireo fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny Fihaonana an-tampony manokan’ny Sadc, ny 17 desambra 2025, ny dian’izy ireo. Eo ny momba ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto Madagasikara, taorian’ny fiovam-pitondrana. Eo koa ny fanohanana ny zotran’ny firosoana amin’ny Fanavaozana.
Anisan’ny fanapahan-kevitry ny Sadc tamin’izany, ohatra, ny hamaritan’ny fitondrana Fanavaozana ny sori-dalana politika hivoahana amin’ny krizy taorian’ny fiovam-pitondrana, hirosoana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika mangarahara sy handraisan’ ny daholobe anjara ary hoeken’ny rehetra. Mila mazava amin’izany ireo dingana rehetra arahina amin’ny fanatanterahana fikaonandoham-pirenena hirosoana any amin’ny fifidianana. Fepetran’ny Sadc koa ny hoe tokony ho vita hatramin’ny febroary 2026 ny tetiandro momba izany, ary efa natolotry ny fitondrana Fanavaozana rahateo izay. Efa napetraka ny fitondrana fa ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE) ho amin’ny Fanavaozana kosa ireo tetiandro sy sori-dalana amin’ny hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, izay hanomboka eo anivon’ny fokontany, mandalo kaominina sy distrika ary faranana amin’ ny sehatra nasionaly.
Ampoizina fa hisy ny fihaonan’ireo iraka amin’ireo andrimpanjakana sy ny ankolafin-kery politika samihafa ary ny fiarahamonina sivily.
R. Nd.




