Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fihaonamben’ny diplomasia malagasy, rehefa naharitra herinandro, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy. Nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra ny vina sy paikady vaovao ho an’ny diplomasia malagasy mandritra ny 15 taona ho avy.
Lohahevitra dimy no nodinihina tamin’izany. Voalohany ny momba ny diplaomasia mitsinjo lavitra sy stratejika. Manaraka izany ny diplaomasia ara-toekarena maharitra, mikendry ny hisarihana ireo mpampiasa vola avy any ivelany. Eo koa ny diplaomasia any amin’ny faritra sy ho an’ny Malagasy am-pielezana, ny kolontsaina, ny siansa ary ny fampahafantarana an’i Madagasikara. Manampy ireo ny fiandrianam-pirenena, ny fiarovam-pirenena ary ny fitantanana iraisam-pirenena. Farany amin’ny lohahevitra ny fanavaozana ny rafitra ara-diplaomatika.
“Tsy midika ho fiafaran’ny dingana izao fifaran’ny fihaonambe izao fa manamarika ny fidirana amin’ny dingana vaovao dia ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra sy paikady napetraka», hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Alice N’Diaye. Tonga nanatrika ny lanonana famaranana ny mpanolotsaina ambony ao amin’ny Fanavaozana ny Repoblika mirahalahy, ny Jly Zafitasondry Ranoelson Manantenasoa Marcellin sy ny Kly Rampanarivo Solofoniaina Thierry.
Mi.Raz




