TARATRY NY KANTO

Miantso ireo mpanakanto te handray anjara amin’ny “Fetin’ny mozika 2026” ny IFM Analakely. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo mpanakanto na tarika te handray anjara, tsy anavahana gadona sy karazana mozika, ary tsy misy sokajin-taona ihany koa. Mila manana hira 03 fara-fahakeliny hatolotra anefa, ary vonona amin’ny fepetra rehetra takin’ny fiakarana an-tsehatra.

“Kakakaka Kaïamba”, miray fo amin’i Honorat. Fampisehoana izay hatao anio 8 mey, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany izy ity, etsy amin’ny Food Court La City Ivandry ihany. Tsy havelan’ireo namany hiady irery amin’ny fahasalamana, fa mitohy hatrany ny hetsika hanampiana an’i Honorat. Iray amin’ireo mandrafitra ny tarika “kakakaka Kaïamba” rahateo izy, ka rariny raha hanao seho ho azy ireo namany, i Francis Turbo, Eric Fou Hehy ary i Gothlieb sy ireo mpitendry mpanaraka azy ireo.

“Vazo Kaïamba” ihany koa ny etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Ireo Kintan’ny kaïamba toa an’i Oza Jerôme, Jean Kely, Prosh’Ely ary i Haja no hanafana izany. Mpanakanto namiratra ny taona 70 sy 80 izy ireo, izay mbola manana ny lazany amin’izao fotoana izao. Hanampy azy ireo eo amin’ny feo i Mahery Johary, izay efa fantatra loatra amin’ny famerenany hirana mpanakanto hafa.

Ralanto sy Nogabe, etsy amin’ny Valiha Hôtel Anosy. Nisesy ny fiarahana an-tsehatra ho azy mirahalahy ireto, tato ho ato. Mbola hitohy anio ny fizarana ny kanto an-gitara, amin’ny endriny maroloko. Samy hiarahan’izy mirahalahy eo ny sanganasan’ny tsirairay avy. Hisy ihany ny fiangaliana hiran’olon-kafa, indrindra ireo efa talohaloha nivalona tany hofohazina indray.

Partager sur: