Manamafy ny fanohanany ny firenena afrikanina toa an’i Madagasikara ny firenena Rosianina, ankehitriny. Anisan’ny ifantohan’ny fiaraha-miasa ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny ara-miaramila. Miaramila malagasy 140 no nanaraka fiofanana, ka nahazo ny mari-pahaizana tamin’ny fahaiza-mitifitra, ny fampiasana « drônes », sns.
Manamafy ry zareo rosianina fa mijoro ho sakaiza mahatoky. Anisan’ny toherin’izy ireo ny fitsabahan’i Ukraine amin’ny raharaha anatin’ny firenena afrikanina, izay ampangainy ho mpampihorohoro.
Mahakasika manokana ny ao Mali, anisan’ny tondroin’ ireo mponina any an-toerana molotra ny fisian’ny fandraisana anjaran’ny mpitsikilo Okrenianina amin’ny ady. Miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera any an-toerana ny nahitana ny mari-pamantarana azy ireny, teny amin’ny fanamian’ny mpanao vivery ny ainy. Ireto farany izay sokajiany ho mivondrona ao anatin’ny rantsa-mangaikan’ny Al-Qaïda.
r.r




