Tafiditra anatin’ireo firenena 35 hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila roa, hiatrehana ny Lalao Olympika, hatao any Los Angeles Etazonia, i Madagasikara.
Hanomboka ny tapaky ny volana jona izao ny fanomanana.
“Barea vonona…?”. Anisan’ireo firenena enina hiatrika ny fihodinana voalohany amin’ny ady tapakilan’ny Lalao Olympika 2028, any Los Angeles Etazonia, ho an’ny taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, i Madagasikara. Ny ekipan’ i Soudan du Sud no hifandona amin’ny Malagasy amin’izany, ary hatao eo anelanelan’ny 1-9 jona ho avy izao, ny lalao mandroso sy miverina. Nambaran-dRadafison Jimmy, mpanazatra mpanampy ny Barea, vehivavy, fa efa ao anatin’ny fanomanana izany izy ireo, ankehitriny.
“Raha tsy misy ny fiovana, manodidina ny 40 eo ireo mpilalao hantsoina, hanaovana ny fifantenana ka ireo izay mendrika ihany no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy”, hoy hatrany ity mpanazatra ity, omaly.
Nomarihiny fa mbola tsy misy ny fifaninanana nasionaly eto an-toerana, ka ireo mpilalao nandeha tamin’ny Cosafa sy izay manao fifanintsanana eny amin’ny ligy no hahazo taratasy fiantsoana.
Raha ny fanazavana nomeny, mety hanomboka ny 15 na ny 16 mey ho avy izao ny fampivondronana ny ekipam-pirenena. Nanamafy kosa ity teknisianina ity fa miankina amin’ny enti-manan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ny isan’ireo mpilalao hiatrika izany.
Mbola olana ihany
koa ny kianja …
Raha ny fikarohana natao, samy tsy manana kianja ankatoavin’ny Caf na ny Malagasy na ny sodaney. Noho ny tsy fananan’izy ireo izany, tsy maintsy any ivelany indray ny Barea no hampiantrano io lalaony io. Tsara marihina fa mandritra io fotoana io ihany koa ny ekipam-pirenena lehilahy no hanao lalao ara-pirahalahiana any Maroc. Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny rafitra federaly mahakasika ity lalao fifanintsanana ity.
Fitia Randria




