Hotanterahina alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12”. Hanamarika izany ny fifandonan’ny STM (Savony) sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Hangotraka ny fihaonana satria hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Raha tsiahivina, mitana ny rambony ny Savony raha laharana fah-11 kosa ny Cheminots. Ho farany izany, izay resy amin’ity. Araka izany, tsy maintsy hanao izay ho afany ny roa tonta. Hatreto aloha, tsy mbola nahazo fandresena mihitsy ny Savony raha iray ihany ny an’ny Besetroka. Tsontsorimamba isarahana izany ny an’izy ireo, amin’ity.
Fileovana samy manana ny maha izy azy izy ireo ka tsy hifampitsitsy mandritra ny fihaonana. Ankoatra izay, hanohitra ny US Ankadifotsy ny 3FB. Ekipa diso mifankahalala tsara. Tsy maintsy hitady fandresena ry zareo Ankady, hiakarana hatrany eo amin’ny laharana. Ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany koa hanao izay azony atao hidirana ao anatin’ireo hanao ny lalao sakana. FTM Manjakaray indray hidona amin’ny Tam Anosibe. Hanala vela aloha ny ekipan’Anosibe amin’ity. Hanokatra ny andro rahampitso ny lalaon’ny vehivavy, hifanandrinan’ny SCB2 sy ny Rosa Club de l’Imerina.
Tompondaka




