Farakely sy Rija R. : Nampiaina indray ireo hiran’i Bessa sy Lôla

Aman-jatony maro raha ny sanganasan’i Bessa. Am-polony maro koa no natokany ho fampiaraham-peon’izy mivady, Bessa sy Lôla. Notsongaina tamin’ireo ny hira nalahatr’i Rija Rama­nan­toanina sy i Farakely, nandritra ny fampisehoana notontosainy omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Hira tsy afaka ambavan’ny maro ary mbola voaporofo izany nandritra ny ora telo mahery niarahana. Samy nanao ny anjarany, fa nibahana kokoa ny fampiaraham-peo taorian’izay. Efa nivonona rahateo ny mpijery ka toa ireny rindra niaraha-nanomana ireny ny fampisehoana.
Efa nisy tamin’ny taona 2023 ity fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Farakely, mamerina ireo sanganasan’i Bessa, ity. Ankoatra izay, azo lazaina fa samy taizan’i Bessa sy Lôla sy ny hirany ireto mpanakanto ireto. Tsy nanao sarotra rahateo satria mpitendry efa mpanaraka an’i Besa sy Lôla taloha no tazana teny an-tsehatra, omaly. Tsapa fa mbola am-pon’ny mpankafy ireo hira tsy lefin’ny taona, izay soa ihany fa misy ireto mpanakanto ireto mamelo-maso sy mampiaina izany hatrany. Nitovy daholo kosa ny hetahetan’ny iray efitrano: rahoviana no mba hahita an-tsehatra indray an’i Bessa sy i Lôla?

Zo ny Aina

Partager sur: