Fandraisana andraikitry ny Fitondrana Fanavaozana ny hanatsarana ny lalàna sy hanamora ny famokarana ary hitarika ny fitondrana foibe ho amin’ny fanavaozana, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana. Nandritra ny fitokanana ny orinasa fanodinam-bokatra ao Vohilava, kaominina ambanivohitra Anosy Tsararafa, Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, ny faran’ny herinandro teo no niresahany izany. Nitondra ny hafatry ny filohan’ ny Fanavaozana izy: “Miangavy re, miasà ianareo.” Rehefa miakatra ny vokatra, misy ny asa voaforona sy ny vola.
Ho modelin’ny faritra hafa ny fahavitan’ny fanodinam-bokatra toy izao. Nentaniny ny minisitra tsirairay hanaraka izany, hahazoan’ny faritra rehetra tombontsoa amin’izay zava-bita stratejika. Tanjon’ny fananganana orinasa ny hanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo koa ny fanamafisana ny ezaka fitantanana vaovao hiantohana ny fanjarian-tsakafo ary hampiroborobo ny toekarena sy ny asa fototra.
Nisaorany ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy teknika noho ny fanohanan’izy ireo an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo ny Banky iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana amin’ny tetikasa “Food Systems Resilience Program (FSRP)”, ny mpandrindra ny fampandrosoana maharitry ny Firenena mikambana (ONU) eto Madagasikara, ny Fandaharanasan’ny ONU momba ny sakafo (WFP), ny Principality Monaco ary ny firenena frantsay sy alemà.
Ovaina ho sakafo ara-pahasalamana ny vokatry ny tantsaha. Anisan’ny hahazo tombony ny toeram-pisakafoana an-tsekoly. Fikambanan’ny tantsaha fito miofana eo anivon’ny kaoperativa Miara-Mijoro no mitantana ny asa, ankoatra ny tohana omen’ny Ofisim-paritry ny fitantanana ny sakafo (ORN) Atsimo Atsinanana.
R. Nd.




