Karate Analamanga :  Nahomby ny fanokafana ny taona

Fahombiazana ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja Ka­rate, notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Anko­rondrano. Nahavory mpijery sy mpifaninana an-jatony ny Ligy Tour­nament Karate eto anivon’ Ana­lamanga. Nahatonga so­lontena avokoa ireo seksionina 8 mandrafitra ny ligy ary feno hipoka ny teny Ankoron­drano. Tetsy ankilany, niakatra ihany koa ny haavo teknikan’ny mpikatroka, indrindra ireo katitakely. Tsiahivina fa ny sokajy latsaky ny 14 taona sy ny sokajy Vétérans no nifaninana tamin’ity fanombohana ity. Mbola ho avy ny fifaninanana rezionaly handraisan’ny sokajy rehetra anjara, araka ny fanazavan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotoma­lala Pierrot. Aorian’ny fifaninanana rezionaly, miomana amin’ny fifaninanana nasionaly ny ligin’Analamanga. Hisy ihany koa ny fiofanana ary anisan’izany ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ilay fiofanana eo anivon’ny federasionina, natokana ho an’ny “cadres”.

Mi.Raz

Partager sur: