Rugby – Amboaran’i Afrika  : Andrasana ny lisitry ny Makis Ladies

Hotanterahina any Nairobi Kenya, ny 21 hatramin’ny 31 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina lavalava, ho an’ny sokajy vehivavy, vondrona A. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Rugby, mety hivoaka amin’ity herinandro ity ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny Makis Ladies.
Raha ny vaovao voaray farany, manodidina ny 28 eo ny mpilalao hoentina any Kenya, hiaro ny voninahi-pirenena. Raha ny fikarohana natao, omaly, hifandona voalohany amin’ny Malagasy ny ekipan’i Afrika Atsimo. Nambaran’ny mpanazatra Andriamaro Maminarivo Hajasoa fa nohamafisina ny resaka tosika eo amin’ireo “avant”.
Tsara ny mampahatsiahy fa ankoatra an’i Afrika Atsimo, hifandona amin’ny Makis Ladies koa i Kenya, mpampiantrano, sy i Ouganda. Tamin’ny taon-dasa, teo amin’ny laharana farany no nisy ny ekipa nasionaly malagasy, ary amin’ity raha mbola ratsy ny vokatra azon’izy ireo any an-toerana, mivarina any amin’ny sokajy “B”. Izay laharana voalohany kosa no hiatrika ny “WXV II” ary manao ny “WXV III” ny faharoa.

Fitia Randria

Partager sur: