SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, teny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny fihodinana faharoa, fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, Yas Coupe. Samy nangoron-damba amin’ity fifanintsanana ity ny Disciples FC Espoir sy ny Cosfa II. Marihina fa lavon’ny Valahara tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Disciples FC Espoir, raha toa ka resin’ny CFT 3FY tany amin’ny fandakana “tir au but”, 5 no ho 3, kosa ny Cosfa miaramila, rehefa nanao ady sahala 3 no ho 3.

Voahosotra ho tompondakan’i Espagne, La Liga, ny FC Barcelone, afakomaly, tao amin’ny Kian­jan’ny Camp Nou. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0 ny klioba faharoa, Real Madrid FC. Tsy nanohitra mihitsy ny Real Madrid tamin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity, ary mora tamin’ireo mpilalaon’ny Barça ny naka ny fandresena teo an-jaridainany. Tsara marihina fa misedra ny taona fotsy indray ny Real Madrid, mandritra ity taom-pilalaovana ity.

Hotanterahina ny 22 hatramin’ny 24 mey izao, eny amin’ny tanàna Soa Ambohimanga, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara sy Beach Volley, sokajy U19 sy Seniors, lahy sy vavy, taranja volley ball. Fihodinana voalohany ny fifaninanana beach volley ary any Toamasina kosa no hanatanterahana ny fihodinana faharoa. Efa misokatra ny fisoratana anarana.

Partager sur: